You are here: home > Vetso

ITY FIAINANA ITY - Rasamindrakotroka Andry Tiana

ITY FIAINANA ITY

Ity fiainana ity, araka ny fandalinan'ireo mpandalina ;
Raha jerena mandeha ho azy, anefa mifono zava-dalina.
Ho an'ireo be eritreritra, tsy mampahita tory amin'ny alina.
Raha sendra misy ny tsy mety, mampifoha sasakalina.

Ity fiainana ity, dia mivadibadika, toa ny kodiaran-tsarety ;
Ny ambony mety ho lasa ambany, eo vao may ny tanety.
Ny ambany mety ho lasa ambony, hanomboka ny fety.
Anio miaina anaty fahasahiranana, ny ampitso metimety.

Ity fiainana ity, azo oharina amin'ny masoandro miposaka ;
Mandefa ny tara-pahazavany, toy ny rano iray natosaka.
Na ho an'ny olo-marina io, na ho an'ny olona kapotsaka.
Ka trany daholo, na ny te-hijanona, na koa ny te-hitsoaka

Ity fiainana ity, mety ho toy ny masoandro iray milentika ;
Nahavita ny làlany, toa nandeha tsara, na koa diso tetika.
Ny lasa tsy azo himpodiana, tsy azo hiverenana matetika ;
Fa izay vita any dia vita, na ho an'ireo ory na ireo tretrika.

Ity fiainana ity, mety ho sarotra, ary koa mety ho mora.
Na ho an'ny tia miazakazaka, na ny tia miroso moramora.
Na ho an'ny olo-marina io, no koa ho an'ny olona fatsora.
Na ho an'ny olona tsy be teny, na koa ireo olona fotsy rora.

Ity fiainana ity, raha dinihina sy jerena, toa mandalo ihany ;
Toy ny an'ny zava-miaina rehetra, misy eto ambonin'ny tany.
Ka na ho an'ireo manana ̀na ory, tsy misy anavahana izany ;
Teraka arahana fifaliana, maty arahana sento  sy tomany.

Ity fiainana ity, na handeha hian-kavanana na hian-kavia ;
Aza dia ny ampiana, ampiana ihany, na efa feno aza ny lovia.
Fa araraoty ny fanaovan-tsoa, miezaha mba haha-te ho tia.
Ny modely arahinao, dia iray ihany, tsy iza fa, i Jesoa Kristy.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
28 Janoary 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha