You are here: home > Vetso

IZAY TOKONY HO FILOHA ! - Rasamindrakotroka Andry Tiana

IZAY TOKONY HO FILOHA !

Mandeha ny serasera, ny resadresaka eny rehetra eny ;
Mahakasika ny tokony hofidiana, ho filoham-pirenena.
Olona toa inona izy izay ? raha ny heno ombieny ombieny.
Satria ny zava-misy sy miseho, efa mampanontany tena.

Betsaka ankehitriny, no efa nanambara sy nanolo-tena ;
Hilatsaka hofidiana, isan'ny hisafidianana amin'izany.
Mila faritana mazava anefa, ny mason-tsivana  ho ekena.
Raha tsy izany dia ho diso ny safidy, hanenina aman-tany.

Ny toetra iray manan-danja, tokony ho ananany aloha ;
Dia ny fatahorana an'ilay Tompo, Ray, Anďriamanitra.
Ka ny hataony rehetra, dia ho hankininy aminy avokoa.
Raha izay, dia  ho tretrika sy sambatra ny ambany lanitra

Jerena sy hadihadiana,  ny fandalany ny fahamarinana.
Ny fitsinjarany ara-drariny, izay mety ho harem-pirenena.
Tsy hanao mizana  mitanila, na ho an'ny ory na ny manana.
Fa samy ahazo ny anjarany, hatramin'ireo mananon-tena.

Tombanana, alalinina koa, izay mba tena mety ho vinany ;
Na ara-kolotsaina io, na ara-tsosialy, na koa ara-toekarena.
Mba azo tanterahina tsara ve, sa revy mandeha ilany ?
Ka tena hisy fiantraikany, hampandrosoana ny Firenena.

Mila mailo sy mitandrina, amin'ny mpanao ronono an-tavy ;
Mampanantena tsy misy, hambaboana ny fo sy ny saina.
Izy avy eo miha-mahazo aina, ny vahoaka kosa  miha-manavy.
Fahadisom-panantenana lalina no hisy, rehefa tonga saina.

Mila malina, tsy ho sodokan'ireo fanomezana madinidinika :
Kasikety, "tee-shirt", savony, vary, menaka, ary koa siramamy.
Handrebirebena, hamiliviliana ny safidy mba tsy ho voadinika.
Aty aoriana vao hahatsiaro tena, ilay Filoha anefa efa lany.

Safidiana tsara ary, izay tena mendrika ny hofidiana ho Filoha ;
Hitondra ny Firenena, ho any amin'ny tena fampandrosoana.
Misy olom-baovao ao, misy koa ny efa filoha voafidy teo aloha.
Fa izay tena mahavita azy ihany, no aleo haroso eny anoloana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
14 Marsa 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha