You are here: home > Vetso

MAHALASA ERITRERITRA - Rasamindrakotroka Andry Tiana

MAHALASA ERITRERITRA

Miserana mandalo ihany, ny fiainana eto ambonin'ny tany.
Raha atao indray mijery, ireo rehetra, eo anivon'ny tontolo.
Mahalasa eritreritra, satria raha vao teraka dia mitomany ;
Ary mbola sento sy tomany, no hiseho, rehefa lasana daholo.

Teraka, mitombo, beazina an-trano, mandia koa ny sekoly.
Manovo fahalalana, traikefa, mandritra ny fotoana maro ;
Ahafahana miatrika fiainana, na anbirao, na antanimboly.
Izany no  lalana ho aleha, diniho sy hevero, ary koa fantaro.

Miditra ny sehatra ny asa,  mamelom-bady aman-janaka.
Miezaka mitady vola, hampandehanana ny tokantrano.
Tsy mora izany, indrindra ny fanabeazana ireo taranaka ;
Mba tsy olonolom-poana, ka eo vao ho loza sy angano.

Mifofotra mitady vola, mba ahafahana ny mivelona tsara.
Ho an'ireo ambinina, manomboka miavosavosa ny harena.
Feno ny poketra, ny ondana, eny,  hatrany andalantsara.
Ny tsy ambinina, hita sahirana, difotry ny fameloman-tena.

Raha sanatria milofika, mianjera, ny voara be endriky ny saha.
Midaraboka sy lavo, tsy nampoizina, ilay vato mandondona.
Mety ho voara tsy taka-bidy io, na vato tsotra eny an-tsaha ;
Mitovy ihany tsy misy hafa, na ireo tsy maika na ireo dodona.

Ny zava-misy hiseho, rehefa mby migadona ilay andro farany ;
Dia vata iray ihany no itondrana, na ireo ory na ireo manana.
Ary fasana mitovy ihany, no ho an'ny rehetra sy ireo taranany.  
Tsy azo vingitina hatrany am-pasana, ireo rehetra fananana.

Ilay fandriana malemy fampiasa, nivadika ho fandriana vato.
Ilay fiara raitra fitaingina, lasa tongotra sy tanana mifatotra.
Ilay varavaran-kazo fampiasa, lasa niova ho varavaram-bato.
Ilay trano tsara, lasa ho trano vato, atahorana maha safotra.

Trano vato no iaraha-monina, rehefa tonga tokoa ilay fotoana.
Vita hatreo ny fihatakatahana, ho an'ireo tsy tia mifangaroaro ;
An-jato taona mifandimby, na andro na alina, miaraka ao foana.
Ka na  manankarena na mahantra, indro miombona zava-maro ;

Izany tokoa ny fiainana, hizoran'ny miakandrefam-baravarana ;
Lalana tsy maintsy hizorana, na olo-marina io na olom-boasazy.
Ka ho tanteraka hatrany ilay voalaza, ary tsy maintsy arahina ;
"Hitsahatra amin'izay nisasarany izy, ary ny asany manaraka azy".

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
02 Febroary 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha