You are here: home > Vetso

MBA HENOY IHANY - Rasamindrakotroka Andry Tiana

MBA HENOY IHANY

Mba henoy ihany  ny rivotra mitsoka,
Manafosafo mora izao tontolo izao ;
Misy hafatra ampitainy, toy ny sioka
Manavatsava  ao ampoto-tsofina ao.

Mba henoy ihany  ny vorona misioka,
Eo am-baravaran-kely vao maraina ;
Mamoha moramora  amin'ny ritsoka
Malefaka  ho an'ny ho avy hatsaraina.

Mba henoy ihany  ny vanja mitsefotra,
Mety ho handavo eo amin'ny fiainana.
Mitondra hakiviana  mety hanempotra,
Ka tsy ho ampy  ny fotoana hisainana.

Mba henoy ihany  ny varatra mipoaka,
Manakoako mafy eny an'habakabaka.
Mampitandrina  mandrisika hitsoaka,
Ny mba tsy hianjerana ao anaty lavaka.

Mba henoy re ny feon'ny fieritreretana,
Manitikitika  isan'andro  ao  anaty  ao.
Ka fitondran-tena tsara  no manentana
Ny fiainana  eo  amin'izao  tontolo izao.

Mba henoy ihany  ny ray aman-dreny,  
Manoro  sy  manabe  an'ireo taranany ;
Mba hananany  solofo  hendry  to teny,
Ambony lavitra noho ny mety hananany.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
29 Janoary 2019

Sokajy : fananarana, fiainana

Hevitra mandeha

s19andry5851 (07/04/2019 23:09:05)

Mba henoina, jerena ary dinihina tsara ihany ny zavatra rehetra nodiavina sy nolalovana ary nisy teo aloha, ahafahana maka lesona ho an'ny ankehitriny sy hanatsarana ny ho avy, mba hisian'ny FAHOMBIAZANA !

Hametraka hevitra

Midira aloha