You are here: home > Vetso

MBOLA HO AVY ILAY MARAINA - Rasamindrakotroka Andry Tiana

MBOLA HO AVY ILAY MARAINA

Betsaka no tena kivy, ny vahoaka Malagasy ;
Amin'ny zava-misy, ka lasa toa mangasihasy.
Tsy manana hery intsony, afa-tsy tanam-polo ;
Iatrehana, ireo mpanao herisetra, na bontolo.

Hita mihasarotra hatrany, koa izao ny fiainana.
Mihazakaza-dava, tsy misy fotoana isainana.
Na aiza na aiza aleha, fahasahiranana no hita.
Ka na zava-tsotra aza, mety ela vao ho vita.

Ny vidin-tsolika moa, tsy mitsahatra ny miakatra.
Ny vidin-jiro sy ny rano, koa mila tsy ho takatra.
Ny vidim-bary tena lafo, lasa sakafo haitraitra.
Ny vidim-panafody, mangidy, ary tena mafaitra.

Ilay anana fividy taloha, fanao fangaron-daoka.
Izy indray izao no nivadika, ho lasa tena laoka.
Ny voankazo koa dia niova, lasa aingitraingitra ;
Ny vidiny lafo, mampihivin-doha toa vinaingitra.

Ny fandriampahalemana moa, tsy lazaina intsony.
Ilay toe-tsaina mihitsy no simba, lo, feno lonilony.
Raha atao indray mijery, tena maloka ny tontolo.
Izay rehetra jerena, indrisy, mampitsangambolo.

Soa, mbola ao, miahy, ilay Andriamanitra nahary ;
Hitokisana hanavotra, hitahy, ity firenena marary.
Ka ho afa-tsento fa "MBOLA HO AVY ILAY MARAINA"
Ho lasa nofy ratsy sisa ilay tany, nosy karankaina ;

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
27 Febroary 2018

Hevitra mandeha

s19andry5851 (28/02/2018 08:06:38)

TSINDRIO EO AMIN'NY ANKAFIHIZO RAHA TIANAO !

Hametraka hevitra

Midira aloha