You are here: home > Vetso

RAHA MISY HONO ... - Rasamindrakotroka Andry Tiana

Azo vakiana?

RAHA MISY HONO ...

Raha misy ny manontany,
Nahoana no mitomany ;
Ny tsara tokony ho fantany,
Ny fiainana eto an-tany,
Tsy misaraka amin'izany.

Raha  misy ny  tsy  mety,
Ireo  toerana  efa voatety,
Saika hanaovana ny fety ;
Aleo  mihitsy  tsy arenty,
Hiandrasana ny metimety.

Raha misy mijery vilana,
Ny fiainana mitongilana ;
Ny atao efa manahirana,
Mbola be ny misompirana,
Tsara  ny tsy  mihorirana.

Raha misy ny manakora,
Ny zava-bita moramora ;
Satria tsy ampy ny akora,
Avelao  eo ho  fotsy  rora,
Miandry ny varoboba mora.

Raha  misy  koa  ny  andro,
Tsy misy tana-masoandro ;
Mbola sarotra ny mitandro,
Sao ho raraka ny nahandro,
Izay  vao  tena  lany  andro.

Raha misy ny fanantenana,
Aleo manao ny tsy  ialana ;
Mba  ny tany toa  Kanana,
No  itoerana  fa tsy ialana,
Ary  atao  izay  ahatamana.

Raha   misy  ny  mila  kisa,
Amin'ny olona analin-kisa ;
Tsara ihany ny tsy mitanisa,
Mba tsy hisian'ny disadisa,
Ka  ny tontolo ho  paradisa.

Raha misy, iriana hisy foana,
Ny fitahiana  mandava-taona ;
Mba ho voky fa tsy ho noana.
Hiadana hiandry ilay fotoana,
Hiavian'i Tompo eo anoloana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
08 Aprily 2019

Hametraka hevitra

Midira aloha