You are here: home > Vetso

RAHA TOA IANAO KA ... - Rasamindrakotroka Andry Tiana

RAHA TOA IANAO KA ...

Raha toa ianao ka hipetraka, te hangina tsy hiteny ;
Toy ny vatolampy iray, hoy ny ohatry ny fitenenana.
Amin'ny zavatra miseho, eny an-tànana rehetra eny.
Dia lazaina hoe, "fo vato", ka tsy hita hianteherana.

Raha toa ianao te hanohy, ny làlanao tsy ankijanona ;
Toy ny rano velona, mikoriana any an'ala rehetra any.
Ka hanadino ireo mpanenjika, na koa ireo mpialona.
Dia lazaina marin-drano, fa olo-miavona eto an-tany.

Raha toa ianao ka tapa-kevitra, tsy hisaina ny taloha ;
Toy ireny vorona mandalo, mikopa-kelatra dia lasa.
Hijery lavitra hatrany,  na mandry io, na koa mifoha.
Dia heverina tsy rototra, amin'izay lazaina ho tena asa.

Raha toa ianao ka te hiroso, hiantsampy eny ampita ;
Toa ny sambon-danitra iray, nalefa mafy mba hiakatra.
Tsy hiraharaha an'ireo, izay te hisakana tsy ho tafita.
Dia lazaina, tsy ho ampahafirin'ireo izay mba tafakatra.

Raha toa ianao ka te hahomby, amin'izay zavatra hatao.
Toy ireo maro izay  nilofo, tsy mba nahalala sasatra.
Tsy varianan'ny rendrarendra, ny fomba sy ny haitao.
Dia lazaina fa tsy hankaiza, ary ny fiainana hanasatra.

Raha toa ianao ka hanao, izay mba fantatrao fa rariny.
Toy ny raozy iray mamelana, mamerovero sy manitra.
Tsy te hanara-drenirano, ireo mpanao ratsy sy ny tariny.
Dia lazaina tsy misaina, ka hanonofy ho any an-danitra.

Raha toa ianao ka te hiaina, hiova hanaraka an'i Tompo.
Toy ny anjely maro be, any am-paradisa an-danitra any.
Hilaozy izao tontolo izao, ary meteza ny ho mpanompo ;
Na hisy handrabiraby aza hoe, ho lany andro amin'izany.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
05 Septambra 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha