You are here: home > Vetso

TSINGERIN-TAONA NY MARIAZY - Rasamindrakotroka Andry Tiana

TSINGERIN-TAONA NY MARIAZY

Mandeha ny fotoana, efa ampolo - taona sahady ;
Ny nirosoana sy ny nivononana hiditra ny vavahady.
Vavahadim-piainan’olondroa, hiatrika sy hitady ;
Ny fameloman-tena ho fahaleovantenan’ny mpivady.

Natao ny fisehoana sy ny soratra, tena tsotra izy izay.
Narahin’ny mariazy sy voady hifankatia mandrakizay,
Ao antranon’Andriamanitra, atao koa hoe tranon-dRay.
Ka ho tokam-po toy ny siny, fa tsy fitia bemiray.

Ny mariazy tamin’izay, dia lanonana tena tsotra ;
Fanamasinana ihany fa tsy nanasana olon-tsotra.
Vitan’ny fiarahabana sy ny tsodrano nipololoatra,
Avy ao am-po tsy nisy tsiny, na koa teny tafahoatra.

Ny nanombohana ny fiainana, dia tao anaty fiafiana ;
Tena nitsipozipozy, ho anareo izay tena liana.
Na izany aza anefa, dia natrehina ampitoniana ;
Satria nankinina tamin’i Tompo ka tsy tokony ahiana.

Nandeha teny ny fotoana, sady niasa no nianatra.
Niezaka sy nitolona, satria ny tanjona sy filamatra,
Dia ny mba ho tafita, mba ho lesona ary koa ho anatra,
Ho an’ireo taranaka sy dimby,  satria ny soa koa fianatra.

Dia lasa tany ampita, nanohy sy namita ny fianarana.
Nitohy ny ezaka sy ny tolona, ary tsy mba fotsy varavarana.
Nanomboka hita ireo vokatra, hita nangarangarana.
Noho ny fitahian’i Tompo, tsara ny valin-kasasarana.

Tafaverina an-tanindrazana, niezaka nioitra foana.
Tsy nahalala hasasarana, eny na voky na koa noana.
Nifoha maraina, niari-tory, isan’andro mandavan-taona.
Nikolokolo sy nampivoatra ilay tokantrano teny foana.

Efa lehibe ireo zanaka, izay noezahina ho tafita ;
Tana-masoandrom-piainana, mba ilazana hoe nahavita.
Na mbola tsy tonga lafatra aza, satria mbola hiampita ;
Amin’ny tsaratsara kokoa, fa tsy hionina amin’ny efa vita.

Ankehitriny mitsingerina, miverina ny lasa ampolo - taona.
Mba tonga kosa angamba, ny hankalazana ilay fotoana.
Hiarahan'ny rehetra mifaly, mba ho voky fa tsy ho noana.
Tsy ho an’ny  androany  ihany, fa mba  ho toy izany foana.

Fehiny

Ka ankalazao sy derao ary ifikiro ilay Tompo Andriamanitra ;
Eo amin’ny fiainanao rehetra, mba handovanao ny lanitra.
Ka izay rehetra hataonao, dia hamerovero feno hanitra.
Na dia tsara aza eto an-tany, mbola hafa ny any an-danitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Desambra 2018

Hevitra mandeha

s19andry5851 (19/04/2019 10:27:05)

Ny tsingerin-taona ny mariazy tokony ho fanoitra hanavaozana mandrakariva ny fifankatiavan'ny mpivady, mba ho toy ny tany ampindohana foana !

Hametraka hevitra

Midira aloha