NOFY (Andry)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Endre izato kantonao
Endre izato bikanao
Nanaitra ahy avy hatrany izy ireo
Toa lasa tena tiako tampoka ianao

Ianao koa moa toa tena lasa nandinika ahy avy hatrany
toa lasa aty amiko foana ny fijerinao
toa tsapako avy hatrany
Fa toa manembona fitia ahy ianao

Tsy naharitra aho fa namonjy anao avy hatrany
Tsy naharitra aho fa tonga dia nanontany
Ary tsy naharitra aho fa nitory fitia sahady
Endre izato fidoboky ny foko

Endre izato hafaliako manoloana anao
Fa toa tena tia anao sahady ity fo adalako
Ary tena babo sahady aho
Efa tena tsindrian-daona aho ny miandry ny valinteninao

Endreeeee!!!!! Kay nofiko ilay teo

BY_ ANDRIE
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1053 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Andry
Nampiditra : ANDRIE
Daty : 25/01/2019 12:59
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097