You are here: home > Vetso

tranga sendrasendra - ange razanatsalama

Ny zavatra rehetra
Mipoitra sy mitranga
Dia tsy azonao an-tsaina
Na koa novisaina
K'izany no inoko
Lalim-paka ao am-poko
Fa ny tranga izay misoko
Dia lahatra avy@Tompo


Nahoana ary hoy ianao
No nifanena isik'zao?
Maro be ireo sampanana
Nefa de niray lalana
Ka dia nifankalala
Sy nifandray tanana
Namitram-pihavanana

Sokajy : Fiaraha-monina

Mombamomba

Mpanoratra : ange razanatsalama

Nampiditra : sakaymena
Daty : 16/06/2009
Mpamangy : 1137
Mankafy : 1
Ankafizo

Hametraka hevitra

Midira aloha