You are here: home > Vetso

Ho anao! - Ange Raberson

Indrisy mantsy fa loha ilay fitia
Izay nokasaina fa ho mandrak'izay doria
Noravaina fa hoe tsy mety intsony
Ilay fitiavana namoy toy ny tony
         Noravaina fa hoe tsy tsara
         Ilay fitia voazara
         Aleo faranana hoy ianao
         Ka inona moa ny azoko atao
Mahatsiaro ny lasa aho indraindray
Ny lasa vitantsika hatrizay
Izay irinao ho very
Nefa toa mbola voatahiry tahakan'ny volamena
Raha ariana toa mampivadika menamena
         Tsy mampatory amin'ny alina
         Fa toa vaomaika mitombo andro aman' alina
         Ilay fitiavako anao, nolazaiko
         Ho mandrakizay ary mandrapa-tapitrin'ny aiko

Mombamomba

Mpanoratra : Ange Raberson

Nampiditra : Ange
Daty : 14/04/2004
Mpamangy : 3548
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Missing you!
Missing you

Hametraka hevitra

Midira aloha