Tena tiako ianao Miranto (Anj'art Nantenayna)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao handravaka ny fiainako. Tiako ianao handravaka ny amiko. Tiako ianao hiantako sy hitarainako. Ho andon ny maraina, hanondraka ny taniko

Babony endrikao rehetra ny foko. Potika, rava, torotoro. Tia ka teha hitraotra mafy. Hanaiky anao ho fehizoro

Toy ny vorona any an ala aho. Tsy mba mpamaritra ny ampitso. Saingy mino sady manantena kosa. Fa mbola hitatana ny tananao.

Na tsy ho tojoko aza anefa izany. Tsy hibanjina ahy ankory ianao . Na ny foko , na ny aiko, ny amiko rehetra. Efa hafoiko hanaja anao . Na ho tantanan olonkafa aza ianao . Tsy hanahy aho fa misaotra. Ampihononiko ny saiko. Hitia anao mangina hatrany ankaotra
--------
Rohy:
1820 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Anj'art Nantenayna
Nampiditra : Rantsanaambodiala
Daty : 13/04/2018 08:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152