FANANTENANA (ANJARIVO Ronsard)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avelao ivalona any
Ny senton'ny omaly
Ny ampitso no ifalio
Tomaratra aok'izany

Aza mihato manantena
Raha mbola velon'aina
Minoa fa hody ventiny
ny rano natsakaina

Itsikio ny fiainanao
sy ny raho-mitatao
Mitozoa fa tsy mandao
Ny Andriamanitrao.

Aza mora mitorevaka
Na malaky mitofezaka
Fa ny lanitra mahita
ny heri-pon'ny miezaka

Any andro iray angamba,
mbola hihiratra ny jamba
Any ora sy fotoana,
Mbola hiteny koa ny moana

Fa ny anjaranao androany...
Dia ny manantena hatrany...

...MAHEREZA...



ANJARIVO Ronsard
--------
Rohy:
2545 2
Hevitra mandeha
gasyjean ( 28/02/2013 23:00)
Fototra maha-olona,
Ny mbola miandry manantena.
Ka na ady na tolona;
Anantenana fandresena.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102