You are here: home > Vetso

Fitia niantefa - ANL MIKALO

Mahafinaritra ahy loatra
Ny mahita ny endrikao
Mahatonga ahy mitroatra
Manoratra ho anao
.
Efa hatramin'ny ela
No nanampaniriana
Saingy mbola nivadi_dela
Kay tojo ilay tiana
.
Koa izay mba nalefako
Misy heviny maro
Izay mba iantefàko
Dia henoy sy fantaro
.
Hoe inona no hambarany
Na inona no lazainy?
Dia henoy ny tantarany
Fa mila ho ringotra ny ainy
.
Henoy koa ny fitempony
Hoe hatraiza ny fitiavany
Fa ianao no iantefany
Dia ianao koa ny iafarany

Sokajy : ahy, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha