You are here: home > Vetso

FITIAVANA - ANL MIKALO

Misy didy tena tsara
izay nomen'ny Tompo hoe:
" mifankatiava tsara"
Izay didy tena lehibe
.
Tonga i Jesoa mba hanompo
sy mba hampihavana
an'ireo tsy mpanaraka ny Tompo
Sy 'zay tsy tia namana
.
Efa hiray tokoa ny Loha
Dia i Jesoa 'lay zanaka
Endriky ny Ray tsitoha
'zay nalaina tahaka
.
I Jesoa 'lay foto_kazo
'lay tena voaloboka
ka ny sampana malazo
velominy mba tsy hidoboka
.
Tonga 'lay Mahery
'ndeha hanakambana
Hamonjy 'lay very
Fa tsy ndeha hanasaraka
16/05/17,8H

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha