You are here: home > Vetso

Hatramin'oviana? - ANL MIKALO

Mbola tsy fantatrao ihany
Ilay fitia nomeko
Izay efa any anatiko any
Mandona tsy hay fefeko
.
Fa nahoana no be ahiahy?
No mbola tsy mahatoky ahy
Tsy mahatoky ilay fitiavako
Izay anao daholo ny foko
.
Hatramin'oviana vao hino?
Ilay fitiavana miatefa aminao
Izaho tsy mahay manadino
Tsy manadino ny endrikao
.
Hatramin'oviana vao mahatsapa?
Ilay fitiavako latsapaka
Efa any aminao daholo
Ilay fitiavako manontolo

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha