You are here: home > Vetso

IANAO NO MASOANDRO - ANL MIKALO

Ianao no masoandro hanazava ny diako
Raha maizina ny andro ianao ataoko lampy
Ndeha hanazava ny lalana izay ombako
Ny fitiavako anao tafalatsaka ao anaty
.
Masoandro mibaliaka manerana ny tontolo
Manome hafanana amin'ny vatana manontolo
Mandrava ny fanala sy ny hatsiaka
Mahamiramiran_dava ny endriny mibaliaka
.
Raha sendra mahamay toy izany no ao anaty
Mahery ilay fitiavana ao am_poko ao
Misintona mafy ny hafanana avy aminao

Hametraka hevitra

Midira aloha