You are here: home > Vetso

Tsy anjara - ANL MIKALO

Antsaharo dieny izao
Fa tsy anjaranao intsony
Sao andratra mafy ny fonao
Aleo mitady hafa indray
Ndeha hampitony
Fa ianareo efa tsy iray
.
Raha ny iray no lasa
Aza atao mankarary fo
Fa aleo mitady hafa
Fa misy tia any ho any
Ka manĂ na ambom_po
Fa ny tsara rehetra tsy lany
.
Ny fitia toy ny fanjaitra
Tsy hita tsy mamoy fo
Hita tsy mahataitra
Aza manaiky lany zara
Fa mahaiza manindry fo
Fa ny anareo efa tsy anjara

Hametraka hevitra

Midira aloha