Tamin'izay (ANONYME)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taona maro lasa izay
Samy zaza izaho sy ianao
Saingy izaho nitia anao
Nitia anao aho tamin'izay

Tsy haiko aloha tao am-ponao tao
Na te handa na te handray
Ilay foko feno fitiavana anao
Nitia anao aho tamin'izay


Taty aoriana tsy afa nanoatra
Ka nitomany sy nitraotra
Noho ilay fitia izay tsy niray
Nitia anao aho tamin'izay


Nitia anao aho tamin'izay
Hitia anao mandrakizay
Ka aza avela anao ho sina
Ilay fitiavako mangina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1508 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANONYME
Nampiditra : binos
Daty : 08/10/2009 11:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092