You are here: home > Vetso

amin'ny volana ! - antsa tononkalo.R

Tiako toy ny volana ianao ka ho banjiniko isan'alina ;
Ary tsy andriko aza izay, hatakariva ny andro !
Eny e! , manjopika ny kitana an'alinalina
Sy tahak'izany koa ny habalikan'ny masoadro.

Fa tsapako amin'ny  volana ianao  ka  banjiniko eto foana
Ary satriko aza ny andro mba ho takariva ihany
ary eto angamba, isika, ilay mba hoe mifampitoana
Ka mitovo ny hasambarako,izay tsy fenoko eto an-tany !

Tiako toy ny volana ianao ka ho banjiniko eto hatrany ...
ary mamiko indrindra izany takariva izany !
Tiako ho aho ny volana e! Fa ny masonao dia aminy !

Ary mbola izany indrindra... no hibanjinako azy foana
Fa ianao no tiako ho hita, raha mijery manoloana ;
sy hanovozako fitia,ny hasambaran-kely maminy !

Antsa Tononkalo.R  02/2018

Hametraka hevitra

Midira aloha