"AO AM-PON'NY MAHALALA" (Antsa tononkalo.R)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"AO AM-PON'NY MAHALALA"


Ampy ve ny vita izay niarahana niaina,
raha hifarana ny diako,
Ary misy mba tsaroana tamin'ny dindon'ny fisiako?

Ampy ve ny teny izay natsidiko aminao?
-Tamin'ny salasalan'ora,
Teny antsefatsefany eny,
Tamin'ny resaka natao...
Nilazako ombieny ombieny :
Foana foana "TIAKO IANAO" !

(Raha hifarana ny diako,
Ampy ve ny nisy tamin'ny dindon'ny fisiako.)

Fony isika samy ravo,
fony isika samy revo nihirahira sy nikalo...
Tsy tsikaritsika akory izany fiainana mandalo;
Fa ny foko dia ho lavo !

Ampy ve ny mamy tamin-tsirom-pisantarany?
-Izay niaraha-nakafy, teny an-dalamben'ny roa...
Raha hitsahatra ny foko ka tsy ho tody hatramin'ny farany !
(...)
Moa ianao mba tahaka ahy,
Tamin'izany andro izany
Ka hilaza ombieny ombieny
Eny an-tenantenan'andro,
eny an-tenantenan-taona
Eny an-tsefatsefany eny
sahy hanipy velirano
fa ho "TIA AHY" foana foana foana !

Moa hianao hitoetra ihany,
Eny an-dalam-ben'ny roa? -fony isika samy nino,
Izany "HERIN'NY FITIA"...
Amin'ny foko tsy eto intsony fa naredriky ny adino,
Sy navadiky ny pejin'ny fiainana mandalo.
Moa ianao hihira hatrany?
-Irony hira manodoka izay niarahana nikalo...

Raha hifarana ny diako ka hitsahatra ny foko !
Moa ianao hahatsiaro ihany, ireo rehetra tsy tsaroako?
-Izay niarahana niaina sy niaraha-nankafy...
Ary hino hatrany hatrany fa "MAHERY NY FITIA" ?

-"HIANAO NO MAHALALA".

Antsa Tononkalo.R 09/05/19
--------
Rohy:
1125 0
Hevitra mandeha
FanambinanaKely ( 14/06/2019 08:44)
Manja
antsa tononkalo.R ( 14/06/2019 15:05)
Mankasitraka tompoko!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118