You are here: home > Vetso

Efa lasanao ny foko... - antsa tononkalo.R

(efa lasanao ny foko...
Tononkiran'i solomona 4:9)

Iry masoandro iry, miankandrefana dia dila ;
eny andalan'ny fodiany...
Fa ny jiro manazavany ? -Ao am-pon'ny takariva !
Ary lasanao ny foko, tamin'ny masonao an-ila ;
Nireketan'ny fitiavany... Teny an-dalam-ben'ny tiany

Itsy volana itsy koa, mihamitsonika madiva,
amin'ny alina oriory,
ka mamohafoha ny tany,hierina maraina vao...
Ary lasanao ny foko, dia voasarikao mankany ;
tamin'ny rojo am-bozonao, fa tsy tandrinao akory !

Akory ny hatsaran'ny fitiavanao rahavako...
Fa nampierina mangina,
sy nanaitra ny fitiavako ; Izay tsy mety tafafoha,
raha tsy amin'ny sitrapony !
Ary lasanao ny foko, fa... tsy tandriko eto intsony !

Antsa.Tononkalo.R 24/02/2018

Hametraka hevitra

Midira aloha