EVINEVINA (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EVINEVINA
Ny masoandro eva iva,ny raho-matevina
mamirifiry ny rivotra aty,
ny rivotra avy any e! mitondra evinevina
njary nandifitra ity foko ity
Ry evina!, nahoana? Ry evina,,avy aiza?
No tonga mandona ny fo resin-tory
miavona angaha sa ratsy taiza
Ny fanontaniako tsy valiany akory
sa efa voabaikon'ny fahatsiarovana angaha!
Hono lazao ry evina kely kanosa
Tahotry ny inona no tsy sahy mandà
Dia sahy nikotaba ny foko
Ito kosa
dia evina monja,malefa-pisoko
sahy mandondona ny fo tsara hidy
hamoaka ny sento, ao ambalan'ny foko
ka hibosesika indray ao anaty tadidy,
Izay efa tony sy mandry dia mandry
dia nakorotan'ny evina kely malia
Fa hoatrina ho'aho ny karamanao-miandry?
No tairinao mantsy ity fo kely ity
ry evina mitaika hatrany amin'ny faran'ny ako
ny foko indro taitra, injao fa namaly...
ny fitiavako azy,efa mandry amin'ny rako
nangotraka indray ary dia nampijaly
Antsa tononkalo.R (A T.R)
14 novembre 2015
--------
Rohy:
871 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119