Hianao no Izy. (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
_Fony Izaho tsy nanantena ny ahita Anao intsony...
Indro, nifanena taminy indroa teny ho eny, tamin'iny lalana iny aho.
-Dia gaga hoe lalina izany raha fitoviana, teo aho vao nino fa hay misy ny olona mitovy?
...Lasa teny ny volona nanaraka ny eritreritro nivadibadika:
-Iza loatra ary iny olona mitovy be taminao iny...
"Mbola tsy nitsaha-namisavisa izay mety ho anarany aho"

Nivadibadika ny andro sy ny alina, nanaraka ny eritreritro...
Tsy nisy zava-pantatro,
Fa ny tsapako?
Raha vao niserana Azy vetivety foana aho. Dia tsapako fa Izy ilay tian'ny fanahiko...
Te hitady Azy mafy aho! Sa te hahita Anao?
-Dia no Izy nitovy taminao ve no nitiavako azy?
" tao anatin'ny minitra nahafeno tebiteby ahy indrindra no nitsikin'ny molotro"
_Adala va aho?
(...)
Teo ampibanjinana ny sarinao indrindra no nahatsikiaritra ny manodidina ahy, nilaza: "fantatro io, hoy ilay olona nitantara".

_Iza hoy aho?

_*i Anjara hoy izy raha tsy diso aho.



_Olona mitovy izany hoy aho namaly: He! ny anarany aza samy hafa... Ny iray *Anjara dia ny iray *Kanto.

_i Anjara mihitsy io hoy izy.
Ts'eny an'anaona va io no mipetraka. Tsy mpianatra eny an'anona va io...?
-Tankina aho tsy nahateny...
(...)
Dia lasa indray ny eritreritro nivadibadika nanaraka ny fikisaky ny segondra sy ny minitra...
Tsy nisy zava-pantatro,
Fa ny tsapako?
-Hay iray ihany izy roa.
Lalina izana fa... Ny nahafantarako ny moba Azy no nahalalako Anao.

Fony izaho tsy nanantena ny ahita anao intsony...
Rahefa, nifanena taminy indroa teny ho eny, tamin'iny lalana iny aho.
Ary izay vao tsapako fa tiako Izy, satria :
(...)
Hianao no Izy.

Antsa T.R 12/2018. *Hianao no mahalala
--------
Rohy:
993 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102