Hianao no mahalala, (Antsa tononkalo.R)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hianao no mahalala
Fa misy fo mitepo ao anaty fo mitia,
Ary misy fo mitia ao anatiko ao mitepo.
F'ianao no malala, angamba koa minia...
Minia tsy mahalala ny ao anatiko ao satria?
Izay tia anie...

Hianao no mahalala,
Fa misy koa fitia, amin'ny topy maso adalan'
ny fo nifampijery
F'ianao no malala, na aza hoe minia...
Manafina sy miery.
Dia fantatra eny lala, f'izay tia anie...

Hianao no mahalala,
Ny fo rahefa tia, tsy azonao fonjaina
Hidiana anaty vala,
Na aza ianao minia
Io fitiavana io mahery tsy vitanao tohaina
F'ianao no malala,
Izay tia anie...

ADALA!

Antsa tononkalo.R 13-09-18
--------
Rohy:
1229 0
Hevitra mandeha
jonathankendjy ( 18/09/2018 06:47)
mafinatra ilay tononkalo e,ar misy hevitr tia ambara ao
antsa tononkalo.R ( 21/09/2018 19:23)
Mankasitraka indrindra e! Misaotra anao nankafy oh
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152