Ho haiko va? (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hoe, tsy tiako intsony, Ianao?

-Ho haiko va?

Ataoko ahoana ny handia
ny maraina vaovao
ka hiaina sy hanimbolo
ny hanitry ny voninkazo?
Raha tsy ho tiako intsony, ianao,
voninkazo raha teo.
Ataoko ahoana ny hitia
ny hirahiran'ny tontolo
raha tsy ho tiako intsony,
ianao,
ilay nataoko ho sarivazo voro-mira tsara feo.

Ataoko ahoana ny fanopy
itsy vola-manirery
amin'izao hariva izao
toa mangata-maso ihany?
Raha tsy ho tiako intsony, ianao,
volam-peno,fenomanako
nanahafany fijery.
Moa tsy jiro mitsilopy?
Raha tsy ho tiako intsony, ianao,
ilay tara-pazavany loharanom-piadanako.

Ho haiko va ny fitomany
ny alahelo manindao
te hanorika ny tavako
raha tsy ianao no
alahelovako?
Raha tsy ho tiako intsony, ianao,
ilay nahaizako nitia.
Aza akory manontany
fa hijaly ny fitiavako
Raha tsy ho tiako intsony, ianao,
eto an-tany fandalovako,
any an-danitro doria.

Antsa Tononkalo.R 16032019
--------
Rohy:
950 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139