You are here: home > Vetso

Ny eritreritro, - antsa tononkalo.R

Ny eritreritro miandalandalana,
ny andalany mihira ho anao ;
ny hiran'ny fo izay mitempo !
raha dieny vao mahita anao.

ny vetson'andalan'ny eritro,
mihira ny anaranao foana ;
mihamihira ny hirany hatrany...
mahatonga ny vatako ho maona.

oh! andalana,mihira izy izany,
ny fitiavako anao tafatoetra ;
hirain'ny foko mangina !
eritreretin'ny saiko rehetra.

Ny eritreritro, miandalandalana,
ny andalany mihira ho anao ;
Ny hiran'ny fo izay misento !
raha vantany tsy hitany ianao.

Antsa Tononkalo.R 4/12/17

Hametraka hevitra

Midira aloha