You are here: home > Vetso

ny senton'ny foko, ravinkazo nanitsana, - Antsa tononkalo.R

Alahelo tsy fanta-piaviana !

ny senton'ny foko,ravin-kazo nanintsana ;
Ka mbola ny sisa no hampaniriana.
Toa Kilalaon-jaza... ra re mikrintsana,
tsy mba tsy nahy fa tena hiniana !

Ka moa atao ahoana no hanaisotra izany?
Amin'izato alahelo sy ny ditraditrany
Raha tsy avela hisento vao maika hitomany !
Ny embona anao, amin'isa-minitrany ...

Kanefa avelao...Avelao re hisento eny foana ,
rotsio amin'sento raha mety hafak'andro
Mba hitonitony... mba tsy hinaonaona,
raha manina anao,amin'ny mody masoandro !

ehhh sento hany sisa mitaiza ny foko ,
Toa zaza navela... Tomany mpitaiza !
Toneko amin'sento àry dieny tsaroako ;
Izany alahelony,tsy fantatra...avy aiza ?

A.r 12/03/2018

Hametraka hevitra

Midira aloha