You are here: home > Vetso

Saingy, voninkazo... - antsa tononkalo.R

Saingy, voninkazo,
Sy zava-manan'aina
mba misy koa fitiavany,
Raha sanatria malazo?
maloka ny tavany !

Mantsy, voninkazo,
tsy tokony fofoina. . .
Na aza ianao voaratrany,
Raha sanatria malazo ?
Mariry ny ila-tratrany !

Mihitsy, voninkazo,
Lozanao nandrafy. . .
raha toa ka noratrainy,
Raha sanatria malazo ?
Mihatraika hatramin'ny ainy !

Fa saingy, voninkazo,
na aza hoe nandratra
tsy tokony ho ratraina,
Raha sanatria... Malazo ?
Misaona ny maraina !

Antsa tononkalo.R 11/03/2018

Hametraka hevitra

Midira aloha