Tsy mbola mety tiako! (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mbola mety tiako :
ny volana somamby,
Tery an-javozavon'ny moron-
drahon'iva !
Na aza koa tomaratra,
Namelona ny vazon'ny andro
takariva.
Na aza hoe mitamby :
Ny lanitra hisambarany...
Tsy mbola mety tiako,
Raha toa hianao tsy taratra !
Ao anaty sombin-tarany

Tsy mbola mety tiako,
Ny kintana firavaky ny alina afiriana ?
Na aza midadasika :
Ny lanitra no hariana,
Ahenika ny mason'izao tontolo
izao !
Tsy mbola mety tiako,
Raha mbola tsy mahakasika ;
Ny mombamombanao.

Tsy mbola mety tiako,
Ny hakatom-bonikazo,
Mifelana eny an-dalako
Na aza hoe nitovy,
Tamin'ny loko sy hanitrao ;
Na aza koa mihazo,
Tafaraka amin-diako...
Na zovy izay na zovy ?
Dia tsotra no ambarako :
"Raha mbola tsy hianao,
Tsy mbola mety tiako !"


Antsa Tononkalo.R (A T.R)
01/11/16 06:50
--------
Rohy:
1142 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123