You are here: home > Vetso

vavaky ny tia - antsa tononkalo.R

Vavaky ny tia

Izay tononoko eto izao,
dia tsy ambarambara havana
ka tsy azonao fantarina
hasandratro ho vavaka,
hiakatra any an-danitra
hinoako marimarina
fa hihaino ahy Andriamanitra

Izao tononoko eto izao,
tonom-bavaky ny tia
ka tsy ambarambara tiana
novozonanao ny tsia
Sy nolavinao hatrany
dia mangataka mangina
Mandohalika eto an-tany

F'izay tononoko eto ho aho,
tsy ambarambara havana
ka tsy ho azonao fantrarina
ary tsy ho azonao henoina
hasandratro ho vavaka,
hiakatra any an-danitra
hinoako marimarina
fa mamaly vavaka Andriamanitra
Rehefa arahina finoana

A T.R 12/11/17

Hametraka hevitra

Midira aloha