Vetsovetso (Antsa tononkalo.R)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vetsovetso

Izao vetsovetso izao, tonon-kiram-belovelo
Tamin'ny saina oriory, tamin'ny fon'ny malahelo
No haborako aminao, sento lalina avy anaty
Efa dotram-pahatsiarovana, novonoina fa tsy maty !

He mahatsiaro ny efa lasa,
mbola tena hankamamiana
indrindra nahatsapana,
ny hasarobidin'ny fisiana
Fa mielina ny anio,
Ny hapitso dia mandalo
Ary izany vetsovetso izany,
tononkira, tononkalo...

Ny efa lasana tsy tana, tsy hay antsoina hoe: "Andraso"
Fa "fanahy" nanomba elatra, no nanditsoka ny maso
Raha nikopaka hanainga, Ka namelatra ny elany.

Ndeha hisidina any ankoatra, any ankotrahoatra any
Fa ny nofo dia tavela, ka hiraraka, amin'ny tany?
-no nanditsoka ny maso...
Ô! Alahelo no navelany.

Antsa Tononkalo.R 12/01/2019
--------
Rohy:
1338 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104