Fo mijaly (AR J'Lucien)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mijaly ianao ry foko ao,
Henoko ato anaty
Ny nataon'iny ho anao,
Fa marary tsy tanty,

Mijaly tokoa ianao,
Nefa aza kivy mitomany
Fa tsy irery foana ianao,
Raha mbola eto misy foana izany,

Nijaly ianao omaly io,
Fa nadao lay olon-tiana
Toy izany koa ny anio,
Tsy hita izay mba fifaliana

Hijaly koa ianao ampitso,
Hijaly foana ihany
Indrisy!tsy azo ialana izany,
Fa izany ny fitiavana an-tany.

AR JLucien
--------
Rohy:
1961 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AR J'Lucien
Nampiditra : andrianarivelo
Daty : 30/07/2017 09:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152