You are here: home > Vetso

Ho anao ry tiako Ity sor - AR J'Lucien

Ho anao ry tiako
Ity soratro mangina
Ho anao ilay tokako
Ho anao irery ilay niriana
Aza manahy hianao
Fa ny ahy rehefa hianao dia hianao
Ho anao tsisy very
Ilay fitiavako tsy an-tery
Ho anao tokoa izany
Ity soratro am-penina
Na tsiky na tomany
Dia ho anao tsisy nenina
Fa ato no asehoko
Ilay toky ho anao ry séako !
Ka tsy vazivazy akory
Fa ho anao na mandry na matory.
Ho anao foana izany tenako  
ie! ho anao tsy ferako
Eny! Tsy misy hafa izany
Fa ho anao ihany..


         AR JL

Mombamomba

Mpanoratra : AR J'Lucien


Nampiditra : andrianarivelo
Daty : 18/06/2017
Mpamangy : 166
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Tsy te hanao veloma aho,
MISTERY TAMINY
Raha ny faniriako Tompo,

Hametraka hevitra

Midira aloha