You are here: home > Vetso

MISTERY TAMINY - AR J'Lucien


Mistery taminy ity fiainana mandalo,
Fa tsy fantany ny rehefa avy eony sy ny ampitsony feno favalo.
Lasa ny fisainany lasa alavitry ny iainany,
Hoe raha mba izaho mantsy no?
Dia mistery foana no iainany.
Noho izany dia miezaka izy ny hiavaka,
Niezaka tokoa ny mba hiavaka amin'ity fiainana feno akanavaka.
Dia mistery taminy ny fisiany,
Fa ny ory sy ny manana tsy afaka iray siny.
Eny ka lasa nanadino ilay Ray tsy manatsiny,
Ka tsy hitany ny lalana izay izorana,
Fa mistery ho azy tsy azo dorana.
Mila fanampiana izy amin'izany,
Nefa tsy mba misy itarainana hoy izy mitomany.
Fa mistery aminy ny fiainany.
                  AR J'LUCIEN

Mombamomba

Mpanoratra : AR J'Lucien


Nampiditra : andrianarivelo
Daty : 07/06/2017
Mpamangy : 112
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

Ho anao ry tiako Ity sor
Tsy te hanao veloma aho,
Raha ny faniriako Tompo,

Hametraka hevitra

Midira aloha