Raiko tiako (AR J'Lucien)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny faniriako Tompo,
Dia ny tsy hivadika amin'nao.
Ka mivavaka amin'nao aho Tompo,
Omeo ilay fahendrena avy aminao.
Ilay saiko mantsy,
No mila ahitsy.
Fa mora miova toetra,
Tsy mahalala izay ho fetra.
Na ny fo mitepoko,
Toa mamoy fo.
Dia ianao no ampitony,
Tsy ho reraka intsony.
Ny vatana mora lo,
Ianao no hiaro tsy haloto.
Fa ny vatana tsy ao amin'nao,
Dia ho simba sy ho lao.
Eny fa na ny fanahy ao anaty,
Dia mangataka fiarovana aho tsy ho ratsy.
Fa ho tsara ao aminao ry Raiko tiako,
Ka aoka ny sitrakao no atao fa tsy izay tiako.
Amen
AR J'LUCIEN
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1077 1
Mpakafy: andrianarivelo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AR J'Lucien
Nampiditra : andrianarivelo
Daty : 07/06/2017 02:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142