30/11/06 (Arajech)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
30/11/1980 dia tonga 30/11/06
Enina amby roa-polo taona
Sahady izany ny lasa
Nefa ny manolona toa mbola bambangona
Nisy ihany ny ezaka natao an’asa
Tsy nampiova inona loatra
Na dia mba te-hitraotra tsy afa nanaotra

Enina amby roa-polo taona
Sahady ve izahy
Izaho anefa mbola mihanatra foana
Ny miaina fa tsy mety mahay
Mbola sahirana ihany atramin’izao
Enina amby roa-polo taona ngarangidiny be izao

Ny ho avy andrandraina
Tsy hita loatra ny azo an-tenaina
Fa toa ankamatra ihany
Ity fianana ety an-tany

30/11/06

Dia miharaba ireo nanamana rehetra
dia hahazo izay hiriny avy !
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
1531 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arajech
Nampiditra : arajech
Daty : 30/11/2006 06:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0678