ANDRASAKO IHANY ! (Arajech)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andrasako ihany
Raha toa ka tsy mialaza ianao
Hoe: leo ny aminao izao
Fa misy ihany ny tsy fahafana mamatotra
Tsy miala eto an-tany
An’isan’ny fiainana izany
Mangeja sy mamatotra

Andrasako ihany
Raha mbola tsy milaza ianao
Hoe: izaho tofoka sy lao
Ity fitiavan-tsika toa hafahafa
Fa raha mijery ny rehetra
Tsy firy ny sakana sy mametra
Ny an-tsika roa ny toa samy hafa

Andrasako ihany
Raha mbola tsy milaza ny am-poko
Hoe: tsy tia anao intsony ny foko
Fa tsy azo an-tenaina intsony
Nitondra adin-tsaina sy lonilony

28/10/06
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fiononana
1336 0
Hevitra mandeha
ezaka ( 30/10/2006 08:07)
Tsara ry Arajech,izay tia tokoa tsy maintsy maharitra sy miharitra, eny fa na ao anaty fahanginana aza dia azo atao tsara izany.Mirarisoa
kala ( 01/11/2006 13:39)
manohina be le izy.
Izaho koa mbola hiandry azy foana (?)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arajech
Nampiditra : arajech
Daty : 29/10/2006 19:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138