MANINA OLONA TSY TIA (Arajech)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa tsy mino izany ny saiko
Hoe izaho manina olona tsy tia
Tsy manaika izany ny foko
Hoe izy no nanadino ny dinam-pitia

Dia izaho niandry ve dia hagaina
Fihafiako ireny ve herim-poa very maina
Ireny soratra nosaratany ireny ve nadalo iahany
Fa tsy notazonaminy na kely izany
Ireo fiafiako ireny toa andalana
Ireo nilaza tia ahy nolaviko
Hananatanterako ilay any voadiko
Nefa indrisy fa heri-poa very maina
Izaho mba niadry nefa nialamaina
Ilay fitiavako diso fiantefa
Ireo nilaviko tsy azoko hantonina anefa
Dia manejika ahy hatrany saiko
Fa mba inona ny fadosoina vitako

10/11/06
--------
Rohy:
2192 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arajech
Nampiditra : arajech
Daty : 13/11/2006 17:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142