MIANDRY AHO! (Arajech)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miandry aho!
Miadry hampiarin-tena fa manantena
Nefa efa vatana mangatsika mamanara
Hiaraka hamolavola sy mbola hikarakara
Indrisy anefa a voatery hambolena

Miandry aho!
Miandry ny hiverenanao fa tsy hiverina
Lasa nay amin’ny vary tsy mifody
Tsy azo antenaina ny mbola hody
Nefa andrandraiko ho hiarahana hiaina

Miandry aho!
Miandry rahavana fa lasan-ko razana
Fa nody mandry tsy hifoha rahatr’izay
Nandao ny tany lasa any amin’ny mandrakizay
Na dia mamy ny fifankatiavan-tsika rahavana

Miandry ny tsy ho hisy na ovina intsony
Ny fiarahana aminao ry tiako indrindra
Nametrako ilay fitiavana tsy mety afindra
Ka zary manahirana ny hihonina sy hitony

20/05/01
--------
Rohy:
1676 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arajech
Nampiditra : arajech
Daty : 30/10/2006 16:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168