NOFERAKO (Arajech)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noferako ny saiko !
Tsy hisaina anao lava izao
Saika mandritra ny andro manontolo
Tsy mety voafetra
Toa maihy hary helatra
Nisidina ny habakabaka nampiharaka

Noferako ny eritrerotro
Tsy hampitaberina ny efa lasa
Ireo feo sy sary voasikotra
Ao anaty tsy mety voafafa
Tia handrea hatrany ny feonao malefaka
Sy ho hahita ilay hendrikao sarika

Noferako ny foko
Tsy hikasa ho ita sy ho tiavinao
Fa manhirana sy mampitoloko
Tsy mety miova
Fitem-po olonkafa izato foko
Fa voafatotrao sy voavoko

Noferako ny masoko
Tsy hijery any fonenan’areo
Sao mety hahita na indray mipimaso
Tsy mety ho ferana
Lasa ny vatakona dia miserana
Ny fitiavana anao tsy azo nileferana

15/03/04
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1519 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arajech
Nampiditra : arajech
Daty : 16/10/2006 19:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0863