NY AN-TANY (Arajech)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho zavam-poana
Ity bikanao miraradraratra
Andaninao ny ora anoloan’ny fitaratra
Raha tonga ny fotoana,
Ka hambolena izato vatana
Na dia mafy ny alahelo ireo havana
Fa tsy afaka intsony hiara-monina
Ny tia anao aza tsy maintsy hionina
Nefa izato fihevitrao
Izay manao tsinontsinona izao rehetraa izao
Mba ataovy an-doha fa misy fetra
Mangeja izao tontolo izao
Ka za jefijefy izato indry
Fa mandalo isika an-tany aty
Tsy misy natao ho mandrakizay
Mandao tsy fidiny raha tonga ilay andro iray

03/08/00
--------
Rohy:
1739 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arajech
Nampiditra : arajech
Daty : 01/11/2006 12:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136