TOMPO Ô (Arajech)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo ô! Omeo fo aho hitia
Hanomezako ny tena fitia
Iandanany ny tiako eo hanilako
Tsy hihafihafy sy hikao-po
Fa mba ho afaka hiaina
Tena finaritra sy an-kafalina

Tompo ô! Omeo hery aho hanoherako
Ireo miraviravy anatrehin’ny masoko
Tsy hanadinoko na ovina na ovina
Ilay tiako izay mba nofidiana
Mba hifanaraka foana izahay roa
Hitady ny fatratra sy mahasoa

Tompo ô! Arovy ny dianay roa
Ho iray hatrany tsy hisara-droa
Tanteraka foana ilay voady
Ho lavitra anay ny adiady
Hifankatia ho mandrakizay
Ilay any tanjona fanirihanay

Ho tena tsara rindra
Ny fifankatiavanay roa
Ny fitiavana tsy hifindra
Mba ho tonkam-po


15/07/01
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1429 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arajech
Nampiditra : arajech
Daty : 16/10/2006 19:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145