You are here: home > Vetso

TSISY ANDRO MIHIRATRA - Arajech


Tsy manana andrandraina
Tsy manana hatenaina
Tsy manana hanteherana
Tsy manana an-jara toerana

Fa mihady hatrany hatrany
Mba hahita ny mamy
Sy ny rehetra mahasoa
Ary ny lafatra kokoa

Ny fahantrana tsy mety ritra
Ny andro tsy mety mihiratra
Fa orabaratra sy haizina foana
Raha mijery ny manolohana

Mitady mafy etsy sy eroa
Izay hahitana ny mahafa-poa
Nefa tsy misy hanorenam-pangady
Vao maika mafy hatrany ny ady

07/07/03

Sokajy : Fahantrana

Mombamomba

Mpanoratra : Arajech

Nampiditra : arajech
Daty : 13/11/2006
Mpamangy : 964
Mankafy : 1
Ankafizo

Tononkalo hafa

FITIAVAN-TSIKA
vazoly
30/11/06
TE- HAHIT'ANAO
MANINA OLONA TSY TIA
METY HISY VE?
NY VOLA
NY AN-TANY
TSY AFAKA
HANDEVONA

Hametraka hevitra

Midira aloha