TSY MISY FETRA (Arajech)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha hafatra !
Tsy ho voafatra
Na ovina na ovina
Ny fitiavako anao ry tiana

Raha ho lanjainja!
Tsy ho voalanja
Ny fitiavako anao ry tiako
Fa mitombo isa minitra ny am-poko

Raha ho refesina!
Tsy ho voarefy
Ny fitia homeko anao manotolo
Mihaotra izao tontolo

Raha hiisaina!
Tsy ho voahiisa
Tapitra foana ny isa fantatrao
Fa mety hanadala ny sainao

Ka vinavina no hazonao atao
Izany fitiavako anoa izany
Eto an-tany eny na any an-danitra any!

31/01/02
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1504 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Arajech
Nampiditra : arajech
Daty : 18/10/2006 06:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138