Hisy - arcane
Hisy
Hisy ahiahy hanjaka anao tanteraka
Hibahana ho baraingo, hijadona, hihetraka,
Raha mba fantatrao ny fihetseham-pony
'lay nifanao veloma hifankahita hono...
Hisy ranomaso tsy foy ho tantaraina
Fa mifangaro nofy ny tsiahy tsy voafehy,
Tsy fantatrao niseho na volavolan-tsaina
'lay horoka nanampoka ny resaka mandeha
Hisy andro iray hahatsapanao hirifiry
Hampanontany tena ny anton'ny fisiana,
Nitondranao hiantsy ny lanitra mangiana
'lay hafatra namarana fitiavana mihiry
Fa tsy ho tsapanao raha tsy nijaly ianao
Ny anton'ny tarainako izao hariva izao,
Heverinao kihanta sy sangisangy ihany
Ny endriko manjonitra, ny masoko tomany...
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : arcane
Nampiditra : arcaneDaty : 27/08/2004
Mpamangy : 929
Mankafy : 0
Ankafizo
Tononkalo hafa
Ny fitiaHo an'i malalako
Eritreritra
Kilalaon-teny
Raha...
Miandry
Maso mifanojo