You are here: home > Vetso

Kilalaon-teny - arcane

Kilalaon-teny

Setrin'ilay tononkalon'i NY Kanto hoe Tsy fioty manta  

Ny voa nafafy sy mbola tsy haniry
Ny hazo mamoy fa maitso tanora
No azo hiafiana sy andrasan'ora
Fa tsy haiko didina ny foko maniry.

Na ngidy na mamy no sisa tahiry
Na embona izany, na zary tomany,
Ny foko tsy tany fa mitempo ihany
Ferako hangina ka mihirihiry

Fa tokana mantsy ilay olon-tiako
Tsy azo soloina na koa atakalo,
Raha tsy ho ahy ? Mampimalo...

Andrasako hatrany satria faniriako,
Na inon-kidona, na inon-kitranga
Tsy hiova sata sy saranga...

Mombamomba

Mpanoratra : arcane

Nampiditra : arcane
Daty : 01/07/2004
Mpamangy : 1488
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

Ny fitia
Ho an'i malalako
Eritreritra
Raha...
Miandry
Hisy
Maso mifanojo

Hevitra mandeha

Oully (01/07/2004 13:10:39)

Te hanaiky sy hialoka ao ambany tonokalonao aho satria mitady hety amin'ny fomba fisainako.

Hametraka hevitra

Midira aloha