You are here: home > Vetso

An'ialahy ny an'ialahy - Ari Ira

An'i dadan'ialahy sa an'i nenin'ialahy?
Rarahian'ialahy inona?
Moa ialahy tsy efa vazaha?
Angaha misy dikany amin'ialahy izay harem-bakokay?
Handoro azy aza ataon'ialahy,
mba ho potika sy ho may

Dia mihevitra ve ialahy fa ho afa-maina amin'izao?
Angaha adinon'ialahy fa misy tody izay atao?
Ny habibian'ialahy nandoro ny sisa anananay
no hanaikitra an'ialahy, hanasazy sy hanafay...



Ho an'ireo tsy valahara nandoro ny ROVAN' AMBOHIDRATRIMO

Sokajy : tantara

Hametraka hevitra

Midira aloha