You are here: home > Vetso

Antso - Ari Ira

ANTSO

Hatramin'ny nahatongavako,
dobo roa no hany tazako;
nanjelanjelatra aok'izany
ny foko, taitra, nanontany!!!

Niezaka aho tsy ho liana
fa ny nahavariana,
vao mivoaka am-piondrehana
tsy misy jery tiana ierehana
ankoatra ireo dobo ireo.
Jery moana, tsisy feo
saingy nahavalalanina;
toa hiaka iray mamatonalina!!!

Mety ho antso angamba hoy aho,
antson'ny inona anefa ?????

R. Ari Ira

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha