Gasikara (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Madagasikara!
onena anao ny foko
fa toa voahozona hitoloko
angamba ireo dimby sy ireo fara
sisa mba vahoakanao!
Akanga sisa nanamborana
voagejan'ny fatorana
ka mahantra toy izao!
Mahantra ambony harena...
tsy hoe ianao no ngazana
fa tsy misy izay finiavana
hampivelatra ny tena;
satria zatra nomena ny vonona
notolorana ny masaka
ka tsy nihevitra ny hikatsaka,
tsy nisaina hoe hamorona
hany ka ny mpanambaka, i
zay matanjaka sy mazana
milaza azy ho tia tanindrazana
no indreo manjakazaka
mameno ny tontolo
fa ny gasy kelinao
be fandeferana no injao
mandohalika aminy daholo:
" mba mangataka raha misy,
sombitsombiny ihany
f'efa anareo ny tany".
Ry Madagasikara,
onena anao ny saiko,
ny mandainga aloa tsy haiko
fa toa tsinjoko hoe tsy ho tsara
ny ho avy miandry anao.
Raha izao no mitohy,
tsy ho ela ianao dia afoy,
afoin'ireo vahoakanao
Izay mivavaka tsy fidiny
mba ho afaka amin'ny ngidin'ny
fiainana efa mankalao...
Ka ny sainy sy ny fony
no ivavahany amin'ny Rainy
ary izao no hira hirainy:
tsy ho Malagasy intsony.......

Ry Madagasikara,
tomany ho anao ny masoko,
toa mijanona ho ankasoko...
ny mijery ireto fara,
ny mijery ireto Gasy
efa anaty fahantrana
nefa mbola feno hadalana
ka mirodana tsy satry.
Ny vahiny no ianarana,
ny haratsiany no indongiana
ka toy ny tena fahoriana
hatramin'ny fitondrana anarana
amin'ny fitenin-dreniny.
Ny Riba sy ny Kolontsaina
izay heveriny hoe tsy ilaina;
efa nariany mba tsy ho neniny,
ka na hatramin'ny fiteniny
avy no efa nosoloiny,
tsy ny Teny Gasy intsony
fa izany efa nafeniny.
Ry Madagasikara!
mahereza, aza kivy;
aoka izao mba ho tadidy,
tadidio dia saino tsara
f'ireo milaza ho tia anao
toa be vinany sy mandainga,
tsy mba mahavadi-bainga
fa kabary lava no atao.
Ary ireo mpandroba anao
misoko miadana mangina
mampitondra fahoriana
an'ny gasy kelinao.
Ry Malagasy havana!
be harena i Gasikara
koa ataoko hoe tena tsara
raha mba misy finiavana
hampandroso azy tokoa,
koa andeha hiara-hiasa,
hiara-hiezaka, ho tafa;
hiala amin'ny fiankinan- doha,
f'ho tena afaka isika....
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1275 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142